Cover Image for BCode Mada 2026
Cover Image for BCode Mada 2026

BCode Mada 2026

Hosted by Bureau Des Etudiants de 42 Antananarivo
Registration
2 Spots Remaining
Hurry up and register before the event fills up!
Welcome! To join the event, please register below.
About Event

🇲🇬 BCode Mada – Beyond The Code 🇲🇬

Amin'ity fankalazana ny "iray volana ny teny Malagasy" ity, faly izahay manasa anao handray anjara amin'ny BCode Mada (Beyond The Code), fifaninanana algoritma karakaraina miaraka amin'i AlgoMada.

📅 Daty: 20 Jona 2026
📍 Toerana: 42 Antananarivo

Fandaharam-potoana

  • 09:00 - 09:30 : Fandraisana ireo mpandray anjara

  • 09:30 - 10:00 : Fampahafantarana sy fanazavana ireo fitsipika rehetra

  • 10:00 : Fanombohan'ny fifaninanana

  • 13:00 : Fiatoana

  • 14:00 : Fampahafantarana ireo mpanohana

  • 14:30 : Fampahafantarana ireo mpandresy

Mpanohana ofisialy

  • Yas Madagascar

Mpampiantrano

  • 42 Antananarivo

Fitsipika sy fepetra

  • Ekipa misy olona 2 no afaka mifaninana.

  • Ny mpifaninana tsirairay dia tsy maintsy misoratra anarana mialoha.

  • Kaonty iray isaky ny equipe no handraisana anjara. Ary rehefa amin'ny andron'ny fifaninanana dia miaraka mitady vahaolana amin'ny laza adina izay omena.

  • Amin'ny teny Malagasy ny laza adina, fa afaka mampiasa izay fitenim-pandrafetana (programming language) izay manavanana anareo ianareo.

  • Voarara tanteraka ny fampiasana Artificial Intelligence (IA) mandritra ny fifaninanana.

  • Mila mitondra KARAPANONDRO, na KARATRA MAHA-MPIANATRA (carte d'etudiant) ny mpandray anjara rehetra amin'ny fotoanan'ny fifaninanana, ka ny ANARANAO FENO hita ao no misoratra atsy amin'ny pejy fisoratanana anarana.

    • QR Code azo tamin'ny fisoratana anarana (QR Code iray isaky ny ekipa).

  • Ireo olona voasoratra anarana ihany no mahazo miditra ao amin'ny campus.

  • Voarara ny mifandray na mifampiresaka amin'ireo mpifaninana hafa na amin'olona ivelan'ny fifaninanana mandritra ny fotoam-pifaninanana.

  • Voarara ny fampiasana finday mandritra ny fifaninanana.

  • Tsy mila mitondra solosaina ny mpandray anjara, satria ny solosaina ao amin'ny 42 Antananarivo ihany no hampiasaina. Solosaina iray isaky ny ekipa iray.

  • Ny fanitsakitsahana ireo fitsipika ireo dia mety hitarika fanafoanana avy hatrany ny fandraisana anjara.

Ny olona rehetra misoratra anarana amin'ity fifaninanana ity dia manaiky sy mankatoa ireo fepetra voalaza etsy ambony ary manaiky ny fizarana ny mombamomba azy amin'ireo mpanohana sy mpikarakara ny hetsika, araka izay ilaina amin'ny fikarakarana sy fanatanterahana ny fifaninanana.

BCode Mada

”Go Beyond Code, Think Beyond Complexity”

NB: Tsara kokoa numéro Yas

Location
Ecole 42 Antananarivo
Andraharo, 4GC5+P75, Antananarivo, Madagascar